Raha mamafy ny tsara isika dia hijinja vokatra tsara, ary raha mamafy ny ratsy isika dia hijinja vokatra ratsy.
Tsy maintsy tsaroantsika ny tantara izay nandravana ny Israelita izay nitaraina tany an’efitra nandritra ny efapolo taona, ary i Davida tanora, i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego dia nisaotra an’Andriamanitra fatratra tamin’ny fanolorana fifaliana tamin’ny alalan’ny tenin’ny finoana feno fahasoavana.
Mifanaraka amin’ny fampianaran’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, ny mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra dia manolotra fampiononana sy fanohanana mandrakariva amin’ny alalan’ny asa soa sy ny teny tsara ao an-tokantrano, ao amin’ny Fiangonana ary eo amin’ny fiaraha-monina.
Amin’izao andro izao, dia mandroso amim-pahavitrihana izy ireo mba hitory ny vaovao mahafaly momba ny famonjen’Andriamanitra amin’ireo izay reraka amin’ny fiainana mavesatra, ka manambara hoe: “Misy ny fanjakan’ny lanitra, izay tsy misy fahafatesana, na fijaliana, na fanaintainana.”
Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.
Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
Matio 12:35–37
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy