Tonga teto an-tany Andriamanitra mba hampiseho amin’ny olombelona ny làlana mankany an-danitra sy ny làlana mankany amin’ny famelan-keloka.
Na izany aza, ny ankamaroan’ny olona dia tsy nahalala an’i Jesosy tonga nofo fa nanenjika Azy, niantso Azy ho fivavahan-diso, nanao hoe: Ahoana no ilazan’ny olombelona ho Andriamanitra? Ary tamin’ny farany dia nanombo Azy tamin’ny hazo fijaliana.
Toy izany koa, amin’izao andro izao, dia tsy mino an’i Kristy Ahnsahnghong izy ireo, izay tonga indray ho famonjena ny olombelona.
Mba tsy hitovy amin’ireo izay nanombo an’i Jesosy tamin’ny hazo fijaliana sy niala tamin’ny famonjena 2,000 taona lasa izay, dia tsy maintsy mitandrina ny fetin’ny fanekena vaovao ao Ziona isika, ny tranon’Andriamanitra izay nampanantena ny ho avy amin’ny vanim-andro farany, ary handray an’Andriamanitra Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny tonga nofo teto an-tany.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany. Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy. . . .
Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
Jaona 10:30–33
dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.
Hebreo 9:28
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy