Na dia ambaran’ny Baiboly manontolo aza izany, dia misy olona tsy mino an’Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Reny, ary na dia miantso an’Andriamanitra hoe: Ray, aza izy ireo, dia tsy mitandrina ny Paska amin’ny fanekena vaovao, izay fomba handova ny nofo sy ny ran’Andriamanitra.
Ho tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona toy izany.
Hoy Andriamanitra: ,,Ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako”, ary tamin’ny alalan’ireo anaram-pianakaviana ireo, dia nohazavainy antsika fa fianakaviana ara-panahy any an-danitra ny olombelona.
Noho izany, ny mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra, amin’ny maha-fianakaviana ara-lanitra, dia mino an’Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Reny, ary mandeha amin’ny lalan’ny finoana, mifankatia toy ny mpirahalahy.
,,Koa . . . Izaho dia handray anareo.
Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha”.
2 Korintiana 6:17–18
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
Galatiana 4:26
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy