Nomen’Andriamanitra ny olombelona izay nanota tany an-danitra ka noroahina tetỳ an-tany, ilay tanàna fandosirana, fahafahana hahazo ny famelan-keloka sy hiverina any amin’ny fanjakan’ny lanitra amin’ny alalan’ny didiny.
Etsy an-danin’izany, ny fitsaran’Andriamanitra dia hihatra amin’ireo izay nandika ny fanekena sy nanamavo azy.
Amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany no ahafahan’ny olombelona, izay voatendry ho faty noho ny fahotany, hahazo ny fiainana mandrakizay.
Rehefa ampianarin’Andriamanitra ny olombelona ny lalan’ny fiainana amin’ny vanim-potoan’ny Ray sy ny vanim-potoan’ny Zanaka ary ny vanim-potoan’ny Fanahy Masina, dia hovonjena ireo izay manatona an’i Ziona ka mitandrina ny Paska, amin’ny finoana ny teniny, fa ireo izay tsy mino ny teniny ka tsy mitandrina izany dia ho voasazy amin’ny farany.
Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
Romana 6:23
Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy.
Apokalypsy 14:12
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy