Araka ny fitenenana hoe: “Ny farihy volamena any an’efitra dia tsy misy vidiny noho ny loharano mangatsiaka sy madio, ary ho an'ny ondry very iray, ny mpiandry dia lehibe noho ny mpanjaka manankarena indrindra,” dia samihafa be ny sarobidy eto an-tany sy ny sarobidy any amin'ny fanjakan'ny lanitra. Ny harena, ny voninahitra ary ny fahefana izay sarobidy amin'ny olona maro eto amin'izao tontolo izao dia tsy misy hasarobidiny ao amin'ny fanjakan'ny lanitra. Izany no antony niainan'ireo olona masin'ny Fiangonana voalohany ho an'ny fanjakan'ny lanitra na dia teo aza ny fanenjehana.
Ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, ny asa sarobidy indrindra dia ny fampiharana ny tenin'Andriamanitra. Ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra dia mitady na dia fanahy very iray aza amin'ny fahamarinan'ny fanekena vaovao, mino ny tenin'Andriamanitra fa hanjaka amin'ny maha-mpanjaka azy ao amin'ny fanjakan'ny lanitra izy ireo ary hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay doria.
Ireo rehetra ireo dia maty tamin'ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin'ny tany izy. Hebreo 11:13
Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin'ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. Daniela 12:3
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy