Tahaka ny nampiasan’Andriamanitra ny tehin’ny mpiandry ondry mba hampisaraka ny Ranomasina Mena sy hampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy, dia manana hery lehibe mandrakariva izay rehetra eo an-tanan’Andriamanitra.
Androany, ny Fiangonan’Andriamanitra, izay nahazo ny iraka hitory ny filazantsara tany Samaria sy hatramin’ny faran’ny tany, dia manatanteraka ny filazantsara maneran-tany amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra, fa tsy amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tsirairay fotsiny.
Tahaka an’i Samsona izay nandresy Filistina arivo tamin’ny valanoranom-boriky, toa an’i Davida zazalahy izay niady tamin’i Goliata goavam-be, ary toa an’i Petera sy Jaona ary Jakoba izay mpanarato, amin’izao vanim-potoana izao, dia manao tantara lehibe ireo izay mino an’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny ary manantena ny fanjakan’ny lanitra.
Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; . . . mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra. 1 Korintiana 1:26–29
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy