Nino ny fitahian’Andriamanitra i Noa, na dia nahatsiaro ho manirery nandritra ny fotoana ela be nanamboarany ny sambofiara. Naleon’i Mosesy niara-nijaly tamin’ny vahoakan’Andriamanitra toy izay nifaly tamin’ny voninahiny tamin’ny naha-andriana tany Egypta. Nifaly tamin’ny fahafahana nanolotra ny fanjakan’ny lanitra ho an’ny olona ny Apostoly Paoly, na dia niatrika fahasahiranana maro aza. Toy izany koa, ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia mandeha amim-pifaliana amin’ny lalan’ny finoana, mitondra ny hazofijaliany.
Mampahatsiahy antsika mandrakariva ny Reny Ara-lanitra hoe: “Tsy manantena ny fanjakan’ny lanitra va isika?” Noho izany, na ny olona masina na ny mpitandrina no miasa eo amin’ny laharana voalohany, dia tokony hijery ny fitahian’ny fanjakan’ny lanitra voaomana mihoatra noho ny sakantsakana miharihary eo imasontsika ny tsirairay rehefa mitondra ny hazofijaliantsika.
nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. Hebreo 11:26
Fa raha velona araka ny nofo ianareo, dia tsy maintsy maty; fa raha ny Fanahy no amonoanareo ny asan'ny tena, dia ho velona ianareo. Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra. . . . raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa. Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika. Romana 8:13–18
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy