Ny vokatry ny asan'ny filazantsara dia miankina amin'ny herin'ny finoantsika. Araka ny nasehon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Gideona sy Josoa, esorina amin'ny tafik'Andriamanitra ireo mihozongozona finoana noho ny manodidina azy, ary ireo manam-pinoana matanjaka an'Andriamanitra ihany no manoratra ny tantaran'ny fandresena.
Nitarika ny vanim-potoana tamin'ny fomba tsy takatry ny saina Izy. Na amin'ny vanim-potoanan'ny Fanahy Masina aza, raha mino tanteraka ny tenin'i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny isika hoe: “Vonjeo izao tontolo izao”, dia ho vitantsika ny iraky ny tafika ara-lanitra: hamita ny filazantsaran'ny fanjakana.
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. 2 Timoty 2:3–4
Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe: Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. Matio 28:18–20
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy