Amin'izao vanim-potoana izay isoloan'ny IA ny asan'olombelona izao dia mihavery tsikelikely ny toerany ny olombelona. Amin'izao vanim-potoana izay azo soloina amin'ny alalan'ny IA ny fitsaboana, ny fiarovam-pirenena, ny fanabeazana, ary na dia ny sehatry ny zavakanto sy ny literatiora aza, dia tsy maintsy mino ny fampanantenan'Andriamanitra ny olombelona mba hanana hoavy sambatra mandrakizay.
Ny hoavy any an-danitra izay antenain'ny olombelona rehetra dia ao amin'ny fanekena vaovao izay nampianarin'Andriamanitra antsika. Ny antony nahatongavan'Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Reny teto an-tany amin'ny maha-Fanahy sy Ampakarina Azy dia satria efa nahita mialoha ny faran'izao tontolo izao Izy Ireo ary te hanome ny olombelona hoavy sambatra mandrakizay.
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, Ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory— Dia Ilay manao hoe: Ho to ny fikasako, Ary hefaiko ny sitrapoko rehetra, Isaia 46:10
Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. 2 Korintiana 3:6
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy