Voafitak'i Satana tany amin'ny fanjakana ara-lanitra ny olombelona, ary rehefa namadika an'Andriamanitra izy dia nazera tetỳ an-tany noho izany fahotana izany. Mba hitady ireo zanaka very avy any an-danitra, hanome azy ireo famelan-keloka, ary hamerina azy ireo any amin'ny fanjakan'ny lanitra, dia tonga 2,000 taona lasa izay i Jesosy, ary tonga amin'izao vanim-potoana izao i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny.
Tamin'ny alalan'ny fanoharana momba ny talenta sy ny mina, dia nampianarin'i Jesosy tamin'ny antsipiriany ny fomba ahafahan'ireo zanaka izay nahatakatra ny fitiavan'Andriamanitra mitondra fifaliana ho an'Andriamanitra. Tahaka ny tsy nitsaharan'Andriamanitra nitory mba hitady ireo zanaka very avy any an-danitra, dia tsy maintsy mitady ireo rahalahintsika sy anabavintsika very koa isika—izany no fanomezana sarobidy indrindra azontsika atolotra ho an'Andriamanitra.
Ary nifoha marainalinakoa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Marka 1:35, 38
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy