Tanteraka tsy misy diso ny tenin'Andriamanitra rehetra voarakitra ao amin'ny Baiboly. Ny Baiboly dia nanambara an'i Jesosy izay tonga 2,000 taona lasa izay, ary manambara ny asa famonjena izay hotanterahin'i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny amin'ny vanim-potoanan'ny Fanahy Masina, izay tonga ho ny Fanahy sy ny Ampakarina.
Maminany ny Baiboly fa ny olona hovonjena—ireo izay manam-pinoana handresy eto amin’izao tontolo fehezin'i Satana izao—dia ny zanaky ny Vehivavy sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra. Manambara ihany koa izy io fa izy ireo, tahaka an'Isaka, dia handray ho lova ny fanjakan'ny lanitra amin'ny alalan'ny Reny.
Dinihinareo ny Soratra Masina, satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. Jaona 5:39
Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin'ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy. Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesosy. Apokalypsy 12:9, 17
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy