Ireo izay mino an'Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina ny Andro Firavoravoana Tabernakely araka ny fampianaran'Andriamanitra. Izany dia satria nilaza tamin'ny alalan'i Zakaria mpaminany Andriamanitra fa hanome ny Fanahy Masina an'ireo izay mitandrina ny Andro Firavoravoana Tabernakely Izy ary hampijaly ireo izay tsy manao izany.
Tamin'ny fiaviany voalohany, i Jesosy dia nanome ny Fanahy Masina; tamin'ny fiaviany fanindroany, ny Fanahy sy ny Ampakarina dia manome ny Fanahy Masina amin'ny Andro Firavoravoana Tabernakely. Ny faminanian'ny Baiboly hoe: "Ny Fanahy sy ny Ampakarina no manome ny ranon'aina," "hivoaka avy any Jerosalema ny ranon'aina," ary "Ny onin'ny ranon'aina mivoaka avy amin'ny sezafiandrianan'Andriamanitra" dia manambara fa i Jerosalema Reny Ara-lanitra dia hanome ny Fanahy Masina sy ny fampianarana izay mitondra ho amin'ny fiainana.
Ary efa akaiky ny andro firavoravoan'ny Jiosy, dia ny amin'ny Tabernakely, Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: . . . Izay mino Ahy, dia hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina. Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy, no nolazainy tamin'izany; . . . Jaona 7:2–39
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. Apokalypsy 22:17
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy