Tahaka an’i Adama sy i Eva namoy ny voninahitry ny saha Edena noho ny ota nihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, dia namoy ny voninahitra rehetra koa ny olombelona noho ny fahotany tany an-danitra ka nazera teto an-tany. Tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona noho ny fahotany, kanefa navelan’Andriamanitra hanompo Azy izy ireo tamin’ny alalan’ireo andro firavoravoana fito in-telo, anisan’izany ny Sabata sy ny Paska, ho fomba iray hamelana ny fahotany.
Afaka manamafy isika ao amin’ny Baiboly fa ny fanatitr’i Abela, izay nahafaly an’Andriamanitra, dia naneho mialoha fa hamela ny fahotan’ny olombelona i Kristy amin’ny nandatsahany ny rany teo amin’ny hazofijaliana. Amin’ny alalan’ny fanatitra ra, izany hoe fanompoam-pivavahana, dia afaka mampanakaiky an’Andriamanitra ny olombelona ka ho tonga anisan’ny fianakavian’Andriamanitra amin’ny maha zanakalahy sy zanakavavin’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny, Mpamonjy amin’ny vanim-potoanan’ny Fanahy Masina.
fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy. Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra, Efesiana 2:13, 19
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy