Ny teny hoe: "Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso ianao," dia fampahatsiahivan'Andriamanitra fa tena ilaina ny tsy manemotra ny fahafahantsika hahazo fitahiana mandra-pahatongan'ny ampitso tsy azo antoka. Fa kosa, tsy maintsy mizara ny fitiavantsika amin'ireo rahalahintsika sy anabavintsika isika androany, mivavaka androany, mibebaka amin'ny ratsy nataontsika androany, ary mitory ny vaovao momba ny famonjena androany.
Tamin'ny alalan'ny tantaran'ilay tandapan'i Kandasy, mpanjakavavin'ny Etiopiana, izay natao batisa raha vao nahatakatra ny fahamarinana teny an-dalana, ary ilay mpiandry tranomaizina sy ny ankohonany, izay natao batisa tamin'ny misasakalina tsy niandry ny maraina, dia nampianatra antsika i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny fa afaka mamonjy izao tontolo izao isika amin'ny alalan'ny fitoriana ny filazantsaran'ny fanekena vaovao—ny vaovaon'ny famonjena—raha vao takatsika izany.
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao; Fa na dia ny havoakan’ny anio aza tsy fantatrao. Ohabolana 27:1
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy