I Jesosy mihitsy no nanome ohatra amin'ny famonjena ny olombelona amin'ny fahotana amin'ny alalan'ny fitoriana. Nomeny antsika ny iraka ho mpiasan'ny fanekena vaovao, nanao hoe: "Vonjeo izao tontolo izao." Noho izany, tsy tokony ho tahaka an'i Esao isika, izay nanao izay tiany fotsiny, fa ho tahaka an'i Jakoba, izay nanao izay tokony hataony aloha. Amin'izay fotoana izay ihany no ahafahantsika mahazo ny fitahiana omen'Andriamanitra.
Ny vokatry ny ataon'ireo izay manao izay tokony hataony sy ireo izay tsy manao izany dia ny fahasamihafana eo amin’ny fanjakan'ny lanitra sy ny helo. Tahaka ny asa mahagagan'ny Fanahy Masina izay niaraka tamin'ireo apostoly izay niaina fiainana nitory toa an'i Jesosy mandrakariva, dia toy izany koa ny andraikitsika ankehitriny dia ny manambara ny famonjen'i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny.
Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin'izay fanekena vaovao, nefa tsy amin'ny soratra, fa amin'ny Fanahy; fa ny soratra mahafaty, fa ny Fanahy no mahavelona. 2 Korintiana 3:6
Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Marka 1:38
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy