Nahazo ny andiany faharoa amin’ny Didy Folo ny Israelita rehefa avy nibebaka tamin’ny fanompoan-tsampy, ary nantsoin’Andriamanitra hoe Andro Fanavotana izany andro izany satria nahazo fanavotana avy amin’Andriamanitra izy ireo.
Ny Fetin’ny Trompetra amin’ny andro voalohany amin’ny volana fahafito amin’ny kalandrie masina no fetin’ny fitsofana ny trompetra fibebahana mba hilazana fa tokony hibebaka amin’Andriamanitra ny olona rehetra satria folo andro aorian’izay dia ny Andro Fanavotana.
Tahaka ny nitsofan’ny Israelita ny trompetra fibebahana folo andro talohan’ny Andro Fanavotana tamin’ny andron’i Mosesy, dia tsy maintsy mitsoka trompetra isika izao mba hiantso an’izao tontolo izao hanatona an’i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny mba hovonjena sy hahatratra ny fibebahana tanteraka amin’ny alalan’ny batisa sy ny fetin’ny fanekena vaovao.
Mitenena amin'ny Zanak'Israely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
Aza manao taozavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
Levitikosy 23:24–25
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
Lioka 5:31–32
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy