Tapaka ny Didy Folo voalohany noraisin’i Mosesy satria nivavaka tamin’ilay ombilahy kely volamena ny Israelita.
Rehefa nahatsapa ny fahotany sy nibebaka ny Israelita, dia nidina niaraka tamin’ny Didy Folo faharoa nomen’Andriamanitra azy ireo i Mosesy ho mariky ny famelan-keloka.
Izany no niandohan’ny Andro Fanavotana.
Rehefa manota ny olona iray, dia afindra vetivety amin’Andriamanitra, ilay fitoerana masina, izany fahotana izany, mandra-pahatongan’ny Andro Fanavotana.
Rehefa avy niditra tao amin’ny toerana masina indrindra ny mpisoronabe sy nanao ny fombafomba famafazana ra, dia voavela tanteraka ny ota.
Toy izany koa amin’izao andro izao, raha tsy mahazo ny fahasoavan’i Jerosalema, izay fitoerana masina indrindra, izany hoe Andriamanitra Reny, dia tsy misy afaka mahazo famelan-keloka tanteraka na famonjena.
Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an'ny fitoerana masina sy ny tranolay fihaonana ary ny alitara, dia
hampanatoniny ny osilahy velona.
Dia hapetrak'i Arona amin'ny lohan'ny osilahy velona ny tànany roa, ka hiekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak'Israely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin'ny lohan'ny osilahy izy ka hampandeha azy hoentin'ny lehilahy voatendry hankany an’efitra.
Ary hoentin'ny osilahy ho any an’efitra ny helok'izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
Levitikosy 16:20–22
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy