Nanendry ny andro voalohany amin'ny volana fahafito amin'ny kalandrie masina ho Andro Firavoravoana Trompetra Andriamanitra mba hahatsiarovantsika ny Andro Fanavotana, ho fahatsiarovana ny fotoana namelany ny fahotan'ny Israelita izay latsaka tao amin'ny fanompoan-tsampy sy nanomezany azy ireo ny andiany faharoa amin'ny didy folo. Ankoatra izany, tahaka ny fitsofana trompetra tamin'ny Andro Firavoravoana Trompetra mba hiantsoana fibebahana, dia tonga teto an-tany koa i Jesosy ary nampirisika ny olombelona hibebaka tamin'ny filazana hoe: "Mibebaha."
Araka ny hitantsika ao amin'ny Fanoharana momba ny Zanaka Adala sy ao amin'ny tantaran'i Jona izay nitarika olona 120,000 tao Ninive ho amin'ny famonjena, dia misy fitahiana lehibe avy amin'Andriamanitra voaomana hatrany aorian'ny asa fibebahana. Ankehitriny koa, tsy maintsy mibebaka tanteraka isika—tahaka an'i Jona—noho ny maso sy ny fo izay efa natodihantsika ho amin'izao tontolo izao, ary mitsofa ny trompetra, miantso izao tontolo izao manontolo hiverina amin'i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny.
Mitenena amin'ny Zanak'Israely hoe: Ny andro voalohany amin'ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin'ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masina.
Koa samy hotsaraiko araka ny ataonareo avy ianareo, ry taranak'Israely, hoy Jehovah Tompo. Mitodiha, ka mibebaha amin'ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho tonga fahatafintohinana mahameloka anareo intsony izany.
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy