Tsy tantara foronina ny Baiboly; tenin'aina avy amin'Andriamanitra izy io, izay miantoka ny hoavin'ny olombelona. Amin'ny alalan'ny faminaniana nomena an'i Daniela momba ny fiakarana sy fianjeran'ny fanjakana taorian'ny Fanjakana Babyloniana, ny tsingerin'ny rano ary ny zava-misy ara-tsiansa toy ny tany mihantona eny amin'ny habakabaka naseho tamin'i Joba 3,500 taona lasa izay, dia fantatsika marina fa tenin'Andriamanitra ny Baiboly.
Nahita ireo olona masina hovonjena ny Apostoly Jaona—dia ireo voasoratra anarana ao amin'ny bokin'ny fiainana an'ny Zanak'ondry. Ankehitriny, ireo mpikambana ao amin'ny Fiangonan'Andriamanitra, izay voasoratra anarana ao amin'ny bokin'ny fiainana araka ny hitan'ny Apostoly Jaona, dia manatanteraka ny faminaniana, voatohina lalina amin'ny voninahitra mandrakizay ho azony any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo. Daniela 7:18
Ary tsy hisy alina intsony; ary tsy mba mila fahazavan'ny jiro na fahazavan'ny masoandro izy; fa ny Tompo Andriamanitra no hanazava azy; ary hanjaka mandrakizay mandrakizay izy. Apokalypsy 22:5
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy