Ny zo hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra dia an'ireo izay manao ny sitrapon'Andriamanitra ihany. Ny Baiboly dia hafatra famonjena avy amin'Andriamanitra ho an'ny olombelona rehetra, nosoratan'ireo mpaminany izay notarihin'ny Fanahy Masina mba hanoratra ny sitrapony. Izany no antony nandidian'Andriamanitra antsika mba tsy hanampy na hanaisotra amin'ny teniny mihitsy.
Ao amin'ny Baiboly, Andriamanitra dia aseho amin'ny ploraly, fa tsy tokana, eo amin'ny in-2,500 eo ho eo. Ankoatra izany, ny Baiboly dia manambara fa tahaka ny fisian'ny reny eo amin'ny tontolon'ny zavamaniry sy ny tontolon'ny biby izay noforonina araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia toy izany koa ao amin'ny fanjakan'ny lanitra, dia misy Andriamanitra Reny izay manome ny fiainana mandrakizay, ary misy ny fianakaviantsika ara-lanitra ara-panahy.
“Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho dia handray anareo. Ary ho Rainareo Aho, Ary ianareo ho zanako lahy sy ho zanako vavy, hoy Jehovah Tsitoha”. 2 Korintiana 6:17–18
Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. Galatiana 4:26
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy