Ny Fiangonana izay nanomezan’i Jesosy famonjena fony Izy tonga teto an-tany 2,000 taona lasa izay ary naorina ny Paska ny fanekena vaovao, ary ny Fiangonana izay natrehin’ireo olona masin’ny Fiangonana voalohany toa an’i Paoly sy Petera ary Jaona no Fiangonan’Andriamanitra. Kanefa, manodidina ny taonjato faha-4, dia nofoanana ny fitsipik’Andriamanitra, ary niditra tao amin’ny fiangonana ny fanaon’ny mpanompo sampy. Nanjavona ny fahazavan'ny famonjena ary nanomboka ny vanim-potoanan'ny haizina.
Araka ny faminanian’ny Baiboly dia naorina ny Fiangonan’Andriamanitra tany Korea i Kristy Ahnsahnghong tamin’ny 1964 ary nitarika ny Fiangonana tamin’ny fahamarinan’ny Paska ny fanekena vaovao miorina amin’ny Baiboly sy ny fanorenan’ireo mpaminany. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo zanany momba an’Andriamanitra Reny Izy, izay tonga teto an-tany mba hamonjy ny olombelona, nanao hoe: “Petera dia nanaraka an’i Jesosy, ary Izaho manaraka an’i Reny.”
[M]amangy ny fiangonan'Andriamanitra any Korinto, dia izay nohamasinina ao amin'i Kristy Jesosy, olona voantso sady masina, . . . 1 Korintiana 1:2
[N]atsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra; Efesiana 2:20
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy