Na dia mpianatr'i Jesosy aza i Jodasy Iskariota, dia ny harena ara-nofo no tao am-pony fa tsy ny fanjakan'ny lanitra. Naka ho an'ny tenany tamin'ny kitapo nankinina taminy izy ary nanome tsiny an'i Maria mihitsy aza noho ny nampiasany menaka manitra lafo vidy hanomanana ny fandevenana an'i Jesosy. Toy ny tantaran'i Davida sy Ahitofela izay aloka ara-paminaniana, dia nivarotra an'i Jesosy tamin'ny sekely volafotsy telopolo i Jodasy ary tamin'ny farany dia nahatanteraka ny faminaniana ny amin'ny fahafatesany tamin'ny fanantonany ny tenany.
Tahaka an'i Jodasy Iskariota izay nalaim-panahy tamin'ny kitapo nankinina taminy, dia tsy maintsy mailo amin'ny fakam-panahin'i Satana koa isika, izay matetika avy amin'ny manodidina antsika. Tsy maintsy miaina ny finoantsika amin'ny alalan'ny teny sy ny asa feno fahasoavana isika. Ireo izay manaraka amim-pahatokiana ny lalana mankany amin'ny fanjakan'ny lanitra tarihin'i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny dia hankalaza an'Andriamanitra sy hankafy voninahitra mandrakizay any amin'ny fanjakan'ny lanitra.
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. . . . Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin'ny alahelo be. 1 Timoty 6:7–10
Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin'ny roa ambin'ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin'ny lovia no izy. Fa ny Zanak'olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan'izay olona hahazoana ny Zanak'olona hatolotra! Tsara ho an'izany olona izany raha tsy ary akory. Marka 14:20–21
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy