Koa satria tonga olombelona i Jesosy, nihinana ny sakafon'ny olona, ary niaina tahaka ny olombelona, dia olona tsy tambo isaina no tsy nanaiky Azy ho Andriamanitra ary nandà Azy. Izany no mahatonga ny Baiboly hampianatra antsika fa ny fanahy rehetra izay manaiky fa tonga tamin'ny nofo Jesosy dia avy amin'Andriamanitra, ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky izany dia fanahin'ny antikristy.
Tamin'ny vanim-potoanan'ny Fanahy Masina, dia tonga hamonjy ny olombelona i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny. Mba hahazoan'ny olombelona ny fitahian'ny famonjena avy amin'Andriamanitra, dia tsy maintsy manary ny fiheverany manokana aloha izy ireo ka mino ny faminanian'ny Baiboly, izay manambara fa ho avy fanindroany amin'ny nofo Andriamanitra.
Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 1 Timoty 2:4–5
Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an'i Jesosy dia tsy mba avy amin'Andriamanitra; ary izany no fanahin'ny antikristy, . . . 1 Jaona 4:2–3
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy