Namorona ireo manana fanjakana ara-lanitra Andriamanitra, amin'ny fo mankamamy ny Sabata, ny Paska ary ny fety fito amin'ny fotoana telo mba hitandremany ny lalànany. Koa, ho an'izay miantso an'Andriamanitra amin'ny molony nefa manaraka ny lalàn'ny andriamanitra masoandro fa tsy ny lalàn'Andriamanitra, dia mampitandrina ny fahotany Izy hoe: “Tsy fantatro ianareo.”
Na miova aza izao tontolo izao, ny lalàn'Andriamanitra no tsy miova mihitsy. Nitandrina ny Paska i Jesosy 2,000 taona lasa izay, ary i Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny koa dia nitandrina izany tamin'ny vanim-potoanan'ny Fanahy Masina. Finoana marina sy mifantoka amin'Andriamanitra ny fanarahana ny ohatr'Izy Ireo amin'ny fitandremana ny Paska.
Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra. Ary dia hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay; mialà amiko, ianareo mpanao meloka. Matio 7:21–23
Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoanany izy; ho meloka izany olona izany. Nomery 9:13
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy