Noho ny faniriany hahavelona ny olombelona rehetra, dia nametraka ny fampanantenana lehibe ny amin’ny Paska Andriamanitra. Ny alina talohan'ny nahafatesany teo amin'ny hazofijaliana, dia namela ny sitrapony farany Izy, nandidy hoe: ‘Tsy maintsy mitandrina ny Paska ianareo.’
Ny Paska, izay nandidian’Andriamanitra antsika hotandremana, dia tsy azon’ny fahefan’olombelona foanana na oviana na oviana. Tahaka ny nanafahana ny Israelita izay niaritra fanandevozana ela tany Egypta tamin’ny alalan’ny Paska, ny fahamarinan’ny Paska no hany lalana mankany amin’ny fahafahana ho an’ny olombelona rehetra, izay voafatotry ny rojom-pahafatesana.
Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska. . . . Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin'ny Apostoly. Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho. Lioka 22:7–15
Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. Jaona 6:53–54
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy