Araka ny voasoratra hoe: "[I]zay rehetra te ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i Kristy Jesosy, dia henjehina," ary araka ny nolazain'i Jesosy hoe: "Raha misy olona ta hanaraka Ahy, aoka izy . . . hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy," dia tsy maintsy hisy fijaliana fohy hanaraka ny fiainan'ireo rehetra izay miaina ho an'ny voninahitry ny fanjakan'ny lanitra.
Niaina araka ny nofo i Esao sy Jodasy Iskariota, nikatsaka ny fahafinaretan’ny fahotana, ary tamin’ny farany dia very ny fitahian’ny fanjakan’ny lanitra. Na izany aza, i Mosesy, i Jakoba, i Daniela ary ireo namany telo lahy dia nandresy ny fahoriana, satria nataony ho harena bebe kokoa ny fahafinaretan’ny lanitra. Toy izany koa, ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra dia mametraka ny fanantenany amin’ny fahafinaretan’ny lanitra nampanantenain’Andriamanitra, ka manolo-tena hitory ny fitahian’ny andro Sabatan’ny fanekena vaovao sy ny Paska, araka ny nandidiany.
Finoana no nandavan'i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin'i Farao, rehefa lehibe izy —nifidy izy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin'ny olon'Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin'ny fahotana, nanao ny fanaratsiana an'i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan'i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. Hebreo 11:24–26
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy