Tahaka an'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia, izay nahita ny faminaniana momba ny tenany ao amin'ny Baiboly, ka nanohina ny fony, ka nanafaka ny Israelita tamin'ny fahababoana sy nanorina ny tempoly tao Jerosalema, dia tsy maintsy mino ny faminaniana voarakitra ao amin'ny Baiboly koa isika. Feno fifaliana lalina tahaka an'i Kyrosy isika, ka tsy maintsy mitory ny filazantsara izay nandidian'Andriamanitra antsika amin'ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra.
Araka ny nampianarin'i Jesosy tamin'ny alalan'ny Fanoharana momba ny Farantsa Folo, dia nampanantena hoavy be voninahitra ho an'ireo izay matahotra ny tenin'Andriamanitra Izy: hiara-manjaka amin'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay izy ireo, ary hankafy ny voninahitra mandrakizay ao amin'ny fanjakan'ny lanitra—toerana izay tsy hisy fahafatesana intsony, na alahelo, na fitarainana, na fanaintainana.
Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. . . . Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha. Apokalypsy 21:1–4
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy