Koa satria ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly dia mirakitra ny lalana mankany amin’ny Mpamonjy sy ny fahendrena mba hanavahana ny fahamarinana amin’ny lainga, dia mampitandrina antsika Andriamanitra mba tsy hanampy na hanaisotra na inona na inona ao amin’ny Baiboly, fa tsy maintsy manaraka ny tenin’Andriamanitra ihany. Roa arivo taona lasa izay, Jesosy irery ihany no niantsoantso hoe: “Hanatona Ahy mba handray ny ranon’aina”, nefa nampianatra antsika Izy fa ankehitriny dia tsy maintsy manatona ny Fanahy sy ny Ampakarina isika mba handray ny ranon’aina sy hanana fiainana mandrakizay.
Naminany i Isaia fa Andriamanitra dia hitondra ny zanany ho amin’ny loharanon’ny rano velona, ary Andriamanitra Ahnsahnghong, ny Fanahy Masina, izay nanatanteraka ny faminaniana rehetra ao amin’ny Baiboly, dia nitondra ny olombelona ho any Jerosalema Reny Ara-lanitra, ilay Ampakarin’ny Fanahy Masina sy loharanon’ny ranon’aina.
Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia; ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia. Ary aoka ho avy izay mangetaheta; ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina. Apokalypsy 22:17
Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; . . . Fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy, Ary any amin'ny loharano miboiboika no hitondrany azy. Isaia 49:8–10
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy