Tamin'ny fotoana nialan'ny Israelita tany Egypta dia nisy loza namely an'i Egypta manontolo, saingy tsy nisy loza namely azy ireo. Izany indrindra no fahasamihafana eo amin'ny toerana misy ny faneken'Andriamanitra sy ny toerana tsy misy izany. Nanome fampanantenana lehibe Andriamanitra fa na aiza na aiza toerana itandremana ny didiny—ny Paska ny fanekena vaovao—dia hotahina ny olony rehefa miditra izy ireo ary hotahina rehefa mivoaka, ary hasandrany ho ambonin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany izy ireo.
Ny mpaminany Isaia, Zefania ary Petera dia mijoro ho vavolombelona fa hisy loza mafy amin'ny afo ho tonga eto an-tany satria izao tontolo izao dia tsy mitandrina ny fanekena vaovao, izay ahitana ny andro Sabatan'Andriamanitra sy ny Paska. Ny Baiboly dia mijoro ho vavolombelona fa amin'ny alalan'ny fitandremana ny faneken'Andriamanitra ihany no ahafahan'ny olombelona ho tonga zanak'i Ray Kristy Ahnsahnghong sy Andriamanitra Reny ary mahazo ny fiarovan'Andriamanitra amin'ny loza rehetra.
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao; ary ho tonga aminao sy ho azonao izao fitahiana rehetra izao, raha mihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao:— . . . Hotahina ianao, raha miditra; ary hotahina ianao, raha mivoaka. Deoteronomia 28:1–6
Ary raha ambaranao amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray? dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, . . . sy ny tsy nitandremany ny lalànako. Jeremia 16:10–11
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy