Rehefa tonga fanasina sy fahazavan’izao tontolo izao araka ny fampianaran’Andriamanitra ny zanak’Andriamanitra, maneho ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa soa ataony, ary mitarika ny olombelona ho amin’Andriamanitra miaraka amin’ny fahamarinan’ny fanekena vaovao, dia ho faly Andriamanitra ary hanome azy ireo fitahiana tondraka amin’ny andro hijoroany eo anatrehany.
Raha efa nandray an’i Kristy Ahnsahnghong sy i Jerosalema Reny Ara-lanitra isika amin’ny vanim-potoanan’ny Fanahy Masina, dia manomboka izao, tsy maintsy manary ireo fahazaran-dratsy nianarana avy amin’izao tontolo izao isika ary mitafy ny toetra vaovao amin’ny maha-Kristiana antsika. Arakaraka ny mahavery ny toetra araka an’Andriamanitra an’izao tontolo izao sy ny fihakelezan’ny fitondrantenany ary ny fihabetsahan’ny faharatsiana, dia tsy maintsy tsapantsika fa akaiky ny andro fitsaran’Andriamanitra, tahaka ny tamin’ny andron’i Noa sy i Lota, ka tokony hiaina fiainana araka an’Andriamanitra kokoa isika.
Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahina no marina. Romana 12:1–2
119 Bundang P.O.Box, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of KOREA
Tel 031-738-5999 Fax 031-738-5998
Head Office: 50, Sunae-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
Main Church: 35, Pangyoyeok-ro, Bundang-gu, Seongnam-si, Gyeonggi-do, Rep. of Korea
ⓒ World Mission Society Church of God. All rights reserved. Privacy Policy